Raikitra ny sakoroka tao Mateloana, kaominina Antohobe distrikan’i Betafo, nobahanan’ny fokonolona ny arabe, jiolahy telo lahy no saika matin’ny fokolona, soa ihany fa tonga ny miaramila fanampiny sy ny Emmo Reg.
Nisehoana fanafihan-jiolahy tao Mateloana ny alin’ny zoma 23 may teo tokony ho tamin’ny 11 ora sy fahefany alina. Jiolahy manodidina ny folo mitondra fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny basy no tonga nanafika hotely iray isan’ny goavana ao an-toerana. Nokendainy ilay ramatoa no sady voaambana tamin’ny basy, tsy nisy nahahetsika kosa ny hafa ary ny vola no notakian’ireo olon-dratsy. Rehefa izany, noraofin’ireo jiolahy izay azo nobataina, ary vola 3 tapitrisa ariary no voalaza fa lasany . Nitsoaka nandositra izy ireo rehefa izany, niantso vonjy kosa ny voatafika ka raikitra ny fanarahan-dia nataon’ny fokonolona. Ny sabotsy marainan’io ihany dia telo tamin’ireo jiolahy no tratran’ny fokonolona , ka niharan’ny fitsaram-bahoaka avy hatrany. Soa fa tonga aloha ny mpitandro filaminana ka mba avotra soamantsara ihany ain’izy telo lahy ireto na dia efa mangana sy feno ratra aza. Tsy nanaiky mora foana ny hitondran’ny mpitandro filaminana azy telo lahy anefa ny fokolona ka velona ny tabataba sy horakoraka. Nosakanan’ireo fokonolona tamin’ny sarety sy hazo ny lalàm-pirenena faha-34 mandalo eo Mateloana ka tsy nisy fiara afaka nivezivezy mihitsy. Naharitra ora maro ny sakoroka raha ny fantatra, voatery niantso mpitandro filaminana fanampiny ny zandary tany an-toerana nandamina ny raharahara ka mpitandro filaminana avy eto Antsirabe niaraka tamin’ny Emmo Reg mihitsy no tonga tao Mateloana. Mba nandaminana ireo fokonolona dia voatery nanapoaka grenady mandatsa-dranomaso mihitsy ny mpitandro filaminana nanaparitahana ny vahoaka izay nitaky hatrany ireo jiolahy telo lahy hiharan’ny fitsaram-bohoaka. Voafehy ihany ireo vahoaka, saingy hita kosa fa leo ny tsy fandriam-pahalemana ny mponina ary matahotra indray sao hivoaka ny fonja tsy ho ela akory ireny jiolahy ireny ka ny vahoaka indray no ifoterany hany ka ny fitsaram-bahoaka ihany no vahaolana hitany na dia voararan’ny lalàna aza izany.
Andry N.