Rombo tanteraka no nitranga tao anatin’ny bar iray tetsy Antsalovana-67ha. Izany dia noho hatezeran’ny olona iray izay very seza rehefa nivoaka kely teo amin’ilay toerana ka nisy naka ny toerany rehefa niverina. Teo dia novelesiny, niaraka tamin’ny namany, tamin’ny seza hafa ny lohan’ny rangahy izay nolazaina fa naka ny toerana. Nidaraboka tamin’ny tany ilay lehilahy ary teo ihany dia efa nanomboka tsy nahatsiaro tena intsony satria mafy loatra ny daroka nanjo azy. Voatery niditra an-tsehatra ny polisy izay nisy nampandre noho ny fisian’ilay sakoroka tao amin’ny toeram-pisotroan-toaka. Teo dia efa nisy ny olona nentin’ireo mpitandro ny filaminana niaraka taminy ary nosokafan’ny sampan-draharahan’ny polisy misahana ny heloka bevava ny fanadihadiana ireo olona. Ilay lehilahy izay voadaroka kosa dia namoy ny ainy teny amin’ny hopitaly noho ny fahavoazana mafy izay nanjo azy. Raha ny fanamarihan’ny polisy dia tsy hita hatramin’ilay seza izay niteraka ny olana teo amin’ny roa tonta. Toe-javatra tsy dia misy dikany loatra ary azo eritreretina fa olana izay azo vahana mora foana avy amin’ny fifanajana sy fifandeferana dia niteraka vonoan’olona. Mbola endrika iray manaporofo ny toa izao fa mirodana tanteraka ny toe-tsaina entin’ny olona sasany miaina eto an-drenivohitra. Ao anatin’ny toaka rahateo dia mainka koa mivoaka ny maha-biby ny sasany. Lasa mivoaka avokoa ny vesatry ny fiainana any anaty fisotroana ary izay sendra eo no hiharan’izany. Midika izany fa olana hatrany ny fidirana amin’ny bar raha mietreritra ny olona fa miala voly no atao any. Manginy fotsiny koa ny fisian’ny jiolahy izay mitily ny mamomamo ka hararaotina amin’ny fanendahana avy eo. Heverina fa mba farafaharatsiny takiana amin’ireny toeram-pisotroana ireny ny fananan’izy ireo mpiambina izay afaka ny miaro ny ain’ny mpanjifa ao aminy.
D.R