Lanonana ara miaramila voalohany natrehin’ireo mpianatra ho manamboninahitra andiany mivantana faha-40 ao amin’ny Akademia ny fanehoana ambany faneva azy ireo. Tontosa ny faha-22 desambra lasa teo izany tao amin’ny “place d’armes” akademia miaramila. Lanonana izay natrehan’ny minisitry ny fiarovam-pirenena, Ny jeneraly Rasolofonirina Beni Xavier sy ireo manamboninahitra sivily sy miaramila maro avy ao Antananarivo sy eto Antsirabe. Nambaran’ny minisitra fa fandraisana ireo miaramila amin’ny fomba ofisialy amin’ny maha miaramila azy ny fanehoana ambany faneva toy izao. Tsy lanonana tsotra, hoy izy, fa lanonana manamarika ny fiainan’ireo mpiofana ho manamboninahitra amin’ny maha lanonana voalohany ara-miaramila azy izay. Manamarika ny soataovina maha miaramila, hoy izy, ny fanehoana ambany faneva.
Ny fisafoan’ny jeneraly Ramasy Razafindratovo Heritiana, kaomandin’ny Akademia Miaramila ny andian-tafika no nanokafana ny fotoana. Naseho ambany faneva ireo mpianatra ho manamboninahitra taorian’izany.
Fantatra fa mbola eo ampitsarana ny fanadinanana ny tompon’andraikitra amin’ny andiany manokana izay handraisana dokotera mpitsabo sy mpitsabo nify, hivoaka tsy ho ela.
Andry N.