Lehilahy iray no maty noho ny vely « bois rond » nahazo azy teny Anosy, teo akaikin’ny fiantsonan’ny taxi-brousse mihazo an’Imeritsiatosika iny, ny faran’ny herinandro lasa teo. Efa voasambotra ary nentina tany amin’ny biraon’ny pôlisy misahana heloka bevava etsy Anosy moa ilay nahavanon-doza tamin’izany.
Raha ny zava-nitranga araka ny fanazavàna azo avy amin’ireo mpitandro filaminana dia fifandirana noho ny resaka lamba fitafy no nahatonga izao vono olona izao. Tokony ho tamin’ny 11 ora alina tany ho any mantsy dia raikitra ny fifamaliana teo amina roalahy teny an-toerana. Voalaza tamin’izany fa hoe nangalarain’ilay tovolahy teo akaikiny ny lamba fitafiny. Niha-niakatra ny fifamaliana ary tonga hatrany tamin’ny fisavana entana. Tsikaritr’ilay tompon’ilay lamba teo fa tao anatin’ny entan’ilay nifamaly aminy tokoa ilay zavatra very. Nahazo vahana tamin’izay ilay very lamba ka nivazavaza. Tsy nahatanty izany intsony ilay nangalatra ka naharay hazo, nifanindry ny tanany ary nively ilay nifanandrina azy avy hatrany. Voa tampoka sy mafy teo amin’ilay lohany ilay very lamba. Nihinjitra ary tsy niteny intsony. Nitolefika moramora. Tapitra ny ainy. Nahita izany ilay nively vao tonga saina ka nanapa-kevitra ny hitsoaka. Ireo mponina teny amin’ny manodidina nahita ny zava-nitranga no avy hatrany dia nampandre ny pôlisy tsy lavitra teo. Nandray an-tanana ity vono olona ity avy hatrany izy ireo ary nanantanteraka fikarohana. Ny ampitson’io no voasambotra teny amin’iny faritra 67ha iny ilay mpamono. Niaiky ny heloka vitany rahateo ity farany.
Porofo iray tokoa izao fa efa tsy tohinina amin’ny zavatra kely intsony ny olona noho ny hamafin’ny fiainana. Hany ka zavatra kely fotsiny mety mahatafitohina azy dia mety hiafara tamin’ny famonoana olona toa izao. Toy ny nitranga teny Ambohimanga Rova, raha lonilonim-piaraha-monina fotsiny dia nahavitàna nitora-bato olona mandrapahafatiny.
m.L