- Publicité SW45 -
jeudi, janvier 16, 2025
AccueilFaits-DiversAmbalamangahazo-Maevatanàna : Jamà iray maty voatifitra, omby roapolo lasa

Ambalamangahazo-Maevatanàna : Jamà iray maty voatifitra, omby roapolo lasa

Tao anatin’ny herinandro, nirongatra izay tsy izy ny fanafihana mitam-piadiana, ary nanao sesilany ihany koa ny herisetra natao tamin’ireo olona tsy manan-tsiny, tao  Ambalamangahazo, fokontany Begogogo, kaominina Tsararano, disitrikan’i Maeavatanàna, no nitrangan’izany. Vokany : Jamà mpiambina tanàna iray maty voatifitra, raha omby manodidina ny roapolo kosa no lasan’ireo malaso nandritra izany. Tamin’ny alarobia 26 Desambra lasa teo, dia sahotaka tanteraka ny tany an-toerana. Tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany alina, no tonga tao ny jiolahy  16 , nirongo basy « kalaky sy basim-borona, » ary tena nampiasainy izany nandritra ny fanafihana. Jamà iray no maty voan’ny bala teo amin’ny kibony, ary omby 20 no lasa raha ny fanisana vonjimaika. Ny olona dia tsy nisy sahy nanohitra satria be loatra ny basy teny amin’ireo olon-dratsy, ary tena nitifitra tokoa izy ireo. Mirongatra tanteraka ny asan-dahalo any amin’iny kaominina ambanivohitra Tsararano iny, raha ny fanazavan’ny ben’ny tanàna any an-toerana, dia faninenina ny  fanafihan-dahalo niseho tany amin’ny kaominina Tsararano, tao anatin’ny herinandro monja. Raha ny vaovao voaray farany azo, dia trano maro no lasaibatry ny dahalo nandritran’ity fanafihana ity.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici