Natao omaly teto Toamasina, ny fanovana ny anaran’ny toby “Pointe Tanio” misahana ny fari-piadidian’ny zandarimariam-pirenena Toamasina; izay lasa ho toby “Jeneraly Randrianazary” nanomboka io omaly io. Tonga teto Toamasina mihitsy ny praiminisitra Ntsay Christian, ny minisitry ny fiarovam-pirenena ny Jly Rasolofonirina Beni Xavier, ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandary Malagasy, ny Jly Randriamanalina Jean Christophe, ary ny fianakavian’ny Jly Randrianazary. Raha ny fanazavana dia amin’ny naha-sekreteram-panjakana voalohany ny Jly Randrianazary avy aty amin’ny faritanin’i Toamasina teo anivon’ny fitantanana ny zandarimariam-pirenena, no antony fangatahan’ny minisitry ny fiarovam-pirenena sy ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandary ary ny fianakavian’ny jeneraly nanao ny fangatahana ka izao neken’ny fanjakana ary nivoaka ho didim-panjakana ara-dalana izao. Teraka ny 01 jolay 1954 tao Didy Ambatondrazaka ny Jly Randrianazary, 37 taona sy 05 andro niasana teo anivon’ny zandary ny tenany, satria ny 17 desambra 2017 no nodimandry ny jeneraly izany hoe 63 taona sy 07 volana ary 16 andro niainany teto an-tany araka ny tatitry ny solon-tenan’ny fianakaviany teto Toamasina. Tany Toliara no nandray ny asa naha-zandary azy voalohany ny jeneraly ka ny vondrom-pileovan’ny zandary Toliara no notanany nandritra izany. Ity jeneraly ity ihany koa no nanangana ny vondron’ny zandary misahana ny hery vonjy taitra na ny GSIS, izy ihany koa no niandraikitra voalohany n y CIS na “Center Intelligence Service” izay nahazoany fanofanana manokana teo anivon’ny CIA tany Etazonia mihitsy izany. Ity jeneraly ity ihany koa no nanokatra ny sekoly ambony mpanofana zandary ho an’ny vehivavy voalohany teto Madagasikara tamin’ny naha-sekreteram-panjakana azy niadidy ny zandarimariam-pirenena. Raha ny fanazavana nataon’ireo niara-niasa taminy dia olona tsotra nefa masiaka amin’ny asa ny jeneraly, izay no nahatonga azy niady ny resaka kolikoly; izay isan’ireo antony nanamaloka ny asan’ny zandary amin’ny maha-mpiaro ny tanindrazana sy ny lalàna azy ireo. Ankoatra izay, nandritra izao lanonana izao ihany koa no nanararaotra nampita hafatra ho an’ny Malagasy ny praiminisitra Ntsay Christian, izay nilazany fa mila filaminana ny Malagasy, mila fitoniana ny vahoaka, ka miangavy ireo kandida miarahalahy sy ireo mpomba azy avy ho tony eo am-piandrasana ny vokatra ofisialin’ny fifidianana fihodinana faharoa teto amintsika farany teo. Nomarihan’ny praiminisitra Ntsay Christian hatrany fa efa tsy maintsy handray ny andraikiny ny governemanta mba hitoeran’ny filaminana eto Madagasikara sy amin’izao fiandrasan’ny Malagasy ny fiafaran’ny taona sy fidirana amin’ny taona vaovao izao.
Malala Didier