Nisahotaka ny teo Analakely sy ny manodidina omaly maraina. Niditra an-tsehatra ireo mpitandro ny filaminana nakana ny fihetsiketsehana saika hataon’ireo mpomba ny kandida Ravalomanana Marc teo amin’ny « parvis » ny Lapan’ny tanàna. Nisy ny fandefasana baomba mandatsa-dranomaso sy fisamborana. Vokany, olona efatra no naratra ary roa no voasambotra.
Azo lazaina fa tsy nampoizin’ireo mpanao fihetsiketsehana mihitsy ny zavatra hitranga. Efa vory tao anatin’ny faritra ny « parvis » ny ankamaroan’izy ireo no nirotsaka tampoka ireo mpitandro filaminana ka nitifitra tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso tamin’ny 11 ora sy sasany teo ho eo. Nanomboka teo, raikitra ny sakoroka satria sady mandroaka ireo olona hivoaka ny faritra ireo mpitandro ny filaminana no nanala ireo fitaovana saika hampiasaina tamin’ny fihetsiketsehana toy ny fanamafisam-peo sy ny « écran géant » izay efa nipetraka teny amin’ny lapihazo. Nivoaka hatraty ivelan’ny faritry ny lapan’ny tanàna ny fifanenjehana narahina tifitra baomba mandatsa-dranomaso nentina nandravana ireo olona izay mbola nivorivory teny amin’ny manodidina rehetra teny sy ireo nanao sakana teny amin’ny arabe tamin’ny alalan’ny fandorana kodiarana. Nahitana izany avokoa ny teny Andohan’Analakely, Petite-vitessse, Tsaralalàna, hatraty amin’ny arabe manoloana ny Rabearivelo iny sy ny mihazo ny tsena Pochard. Tsy nitsahatra izany raha tsy tany amin’ny 1 ora sy sasany tolakandro tany ho any. Mazava ho azy fa efa nanakatona ny fivarotany avokoa ireo magazay lehibe teny amin’iny faritra iny. Voatery nangorona entana ihany koa ireo mpivarotra amoron-dàlana. Tao anatin’izay sakoroka izay no nisy ireo lehilahy roa nosamborin’ireo mpitandro ny filaminana fa toa hoe tratra nizara vola tamin’olona teny an-toerana. Nisy araka izany ireo naratra ka efatra izy ireo no tonga teny amin’ny hôpitaly Ampefiloha raha araka ny loharanom-baovao.
T.M.