Azo hambara ho nilamina ny fety teto Antsirabe amin’ny ankapobeny indrindra raha nitaha tamin’ny taona lasa. Fantatra izany nandritra ny resaka nataon’ny Chef BRSP tamin’ny mpanao gazety omaly. Nambarany fa nihena ny lozam-pifamoivoizana mpitranga izany dia noho ny fahamaroan’ireo polisy niasa. Fantatra fa polisy 203 isa no niasa tsy tapaka nandritra ny fety niampy ireo mpianatra ho polisy 219rha ny teto Antsirabe renivohitra. Fiaraha miasa tamin’ny talen’ny sekoly fanofanana polisy sy inspecteur eto Antsirabe na ny ENIAP no nisian’ireo mpianatra ho polisy maro be ireo nanao ny asany avy hatrany, tafiditra amin’ny fampiharana. Tanora, zatovo 21 isa kosa no nahiditra violon nandritra ny fety noho ny hamamoana tafahoatra sy fihoaram-pefy amin’ny fandikan-dalana. Niisa roa kosa no tsy nahatsiaro tena noho ny fisotroana zava pisotro misy alikaola diso tafahoatra, miisa 6 kosa no nitondra faisana vokatry ny ady. Amin’ny ankapobeny dia saika nilamina avokoa ireo distrika 6 amin’ny 7 iandraiketan’ny chef BRSP Alain Rafalimanana raha ny fanazavany.
Andry N.