Vehivavy iray manodidina ny 30 taona eo no hita faty teny antsisin-dàlana . Tao amin’ny fokontany Manodidina ny gara no nahitana azy, ny datin’ny 1 janoary teo tokony ho tamin’ny 9 ora alina. Araky ny fanazavan’ny teo anivon’ny polisy, dia tsy nahitana ratra ny vatany, ary tsy nisy herisetra ara-nofo ihany koa nahazo azy, saingy nisarona harona plastika kosa ny tavany. Tsy mbola nisy havany na olona mahalala azy hatramin’ny omaly. Tsy mbola misy afaka manamarina ny mety nahafaty ity vehivavy ity noho izany ny mpanao fanadihadiana. Mbola ao amin’ny tranom-paty ny razana miandry ny fianakaviany haka azy.
Andry N.