- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAntsakoabe-Maevatanàna : Olona iray maty nilatsaham-potaka

Antsakoabe-Maevatanàna : Olona iray maty nilatsaham-potaka

Ankoatra ny dahalo, dia mamely mafy ihany koa ny loza voajanahary, any amin’ny fokontany Antsakoabe , kaominina Maevatanàna faharoa. Ny Alahady lasa teo, dia  fantatra fa olona iray indray no nilatsaham-potaka, tany an-toerana . Maty teo no ho eo moa ilay tovolahy ; izay mbola erotrerony no sady feono dian-drangotra ny kibony sy ny tratrany. Mbola nahenoana varatra nipoaka mafy dia mafy ihany koa tany an-toerana, taoriana ny loza niseho. Ny tsy fandriampahalemana sy afitsoky ny dahalo efa tsy hitan’ny mponina izay hiadiana aminy, nefa hamafisin’ny loza voajanahary ihany koa « Misy oram-be aty aminay hatramin’ny omaly ( indl : ny Alahady). Mirefodrefotra ny fipoahan’ny varatra. Nanomana ny fankalazana ny faran’ny taona izahay no sady nipetrapetraka teny an-tokotany no nilatsahan’ny varatra, tokony ho tamin’ny 5 ora hariva. Maty tsy tra-drano tamin’izany ilay tovolahy vao 22 taona eo, hoy ny loharanom-baovao voarainay avy tany an-toerana. Miely ny resaka ao Antsakoabe, fa mety avy amin’ny olona misotasota no nahatonga izao zava-doza izao. Ny mponina any an-toerana dia nilaza fa ao anatin’ny vanim-potoana fahavaratra tanteraka isika amin’izao fotoana izao.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici