Zava-doza no nitranga tao Antanety, kaominina Mananjara, distrika Ambohidratrimo, ny alarobia 02 janoary teo. Vehivavy iray no hita maty sy may tao an-tranony raha araka ny loharanom-baovao avy eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena. Raha araka ny fanazavana, dia olona akaiky azy no nahatsikaritra ity tranga ity tokony ho tamin’ny 12 ora antoandro tany ho any. Ny mahagaga, dia tsy may ny trano nefa araka ny tombatombana dia ahiana ho nodorana tamin’ny lasantsy ity vehivavy ity rehefa avy novonoina. Efa manao ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity ankehitriny ny zandary ao Mahitsy ka ho hita eo ny ho vokatr’izany. Tsy mbola misy anefa ny olona ahiahiana ho nahavanona izao habibiana izao, raha araka ny voalazan’ny zandary hatrany. Ireto farany izay efa manomboka maka am-bavany ny fianakaviana tompo-manjo.
T.M.