Lehilahy roa, ny iray mbola tsy ampy taona akory, no fantatra fa voarohirohy tamin’ilay resaka fanolanana niharo famonoana tamin’ny fomba feno habibiana nitranga tetsy Alarobia Amboniloha ny alin’ny faran’ny taona teo. Efa samy voasambotry ny pôlisy misahana ny heloka bevava sakelika voalohany avokoa moa izy ireo. Ny iray teny Amboniloha ihany ary ny iray teny Anosibe, ny ampitson’ilay famonoana. Araka ny fanazavàna azo avy amin’ireo mpitandro filaminana dia sakazain’ity vehivavy 19 taona niharan’ny fanolanana ity ihany ny iray tamin’izy ireo. Ilay namany niara-voasambotra taminy kosa dia voalaza fa efa ela no nitsiriritra ny hiaraka taminy. Mbola misy kosa araka ny tatitra azo avy amin’ny pôlisy hatrany ireo olona hafa mbola karohina mahakasika ity raharaha ity, izay isan’ny nandray anjara tamin’izany fanolanana niharo famonoana izany. Marihana fa taorian’ny nahitàn’ny fianakaviany ity vehivavy ity, nivalampatra sy nihoson-drà dia mbola nisy aina kely izy, nanoro ireo olona namono azy. Izany no nahafahan’ireo pôlisy nisambotra avy hatrany ireo tompon’antoka tamin’izany. Efa natolotra teny anivon’ny Fampanoavana moa izy roalahy ireto, omaly saingy mbola miandry ny fampakaràna azy any amin’ny mpitsara mpanao famotorana. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo andian-jatovo hafa naman’izy roalahy ireto raha ny fanazavàna hatrany. Omaly ihany koa no fantatra fa nitondrana ny vatana mangatsiakan’ity vehivavy izay mbola ao anatin’ny fahatanorany tanteraka ity kanefa dia nilofika tsy fidiny noho ny hetraketraky ny hafa, ho any amin’ny fonenany mandrakizay teny Ankadikely.
m.L