Misy fifandraisana politika sa asan-jiolahy tsotra izao ? Andian-jiolahy maromaro no voalaza fa nanafika ny tokantranon’ny rahalahin’ny minisitra Augustin Andriamananoro tao amin’ny fokontany Ambatomainty, kaominina Soamahamanina, distrikan’i Miarinarivo. Araka ny loharanom-baovao, teo am-pamakiana ny varavaran’ny trano ireo olon-dratsy no henon’ny tompon-trano izay nihorakoraka niantso vonjy ka henon’ny fokonolona manodidina. Nikorapaka noho izany ireo mpanafika ka vaky nandositra. Nandritra izay fotoana izay anefa ny fokonolona dia efa nampandre ny zandary tao an-toerana. Ireto farany izay nidina avy hatrany nijery ny zava-nisy ary nanokatra ny fanadihadiana sy ny fanarahan-dia ireo mpanao ratsy. Mipetraka ny fanontaniana tetsy ambony hoe sao resaka politika ity? Iaraha-mahalala fa ity olona voatafika dia olona akaiky sy mpanohana kandida iray izay efa fantatra fa hatramin’izay dia miady hatrany tamin’ireo endrika fanitsakitsahana ny zon’ireo vahoaka eny amin’iny faritra Soamahamanina iny. Antony izay mahatonga ireo mponina avy any an-toerana sy ireo mpiara-mitolona tamin’ity minisitra ity ho an’ny tombotsoan’io kaominina Soamahamanina io hilaza fa sao dia misy ambadika politika hanakorontanana ary izao asan-jiolahy izao. Toa mahagaga ihany fa ao anatin’ny toe-draharaha politika mafana mihitsy no itrangan’izao fanafihana izao.
T.M.