Ady saritaka nahatsiravina no nifanaovan’ireto fianakaviana ireto teo amin’ny resaka politika noho ny fahasamihafan’ny olona notohanany tamin’ny fifidianana fihodinana faharoa teo. Lehilahy iray no rimbina niala teo amin’ny toerany ny sofiny, vehivavy iray tapaka taolan-tratrany, ny sasany voavely tapa-by teo amin’ny ranjony, ny hafa momoka sy maratra mafy avokoa, fa ny 6 no tena voa mafy. Lonilony efa nisy teo amin’ny fianakaviana teo aloha izy ity, satria tao anatin’ny fampielezan-kevitra dia efa nisy ny toratoraka nifanaovan’ny andaniny sy ny ankilany isak’izay mandalo ny iray, ka samy efa tsy nifampiteny fa nifampiambina. Taorian’ny fanambaran’ny vokatra vonjimaika no nifanena tampoka tamin’ny toerana fisotroana iray ireto mpanohana ny kandidany avy, ka raikitra ny fifandrangitana fa hoe efa nivoaka ny vokatra fa mitarika ny anay, fa izahay no tokony hampirevy. Tsy nahatanty iretsy farany ka nifanao taim-bava sy teny maloto, hany ka nifandray mihitsy, nahoraka ny ady sy ny fifamaliana ka tonga avokoa ny mpanohana ny andaniny sy ny ankilany, izay tsy iza fa fianakaviana iray avokoa, ka raikitra teo ny ady saritaka. Nisy ny niantso vonjy sy ny kiakiaka, satria efa niditra ny vehivavy, anabavin’ny sasany, sy ny zaodahan’ny sasany .Vokany : ireo enina ireo no tena voa mafy ka samy naka fanamarinam-pahasalamana, tany amin’ny mpitsabo fa samy nitsabo ny ankohonany , ary samy nampiakatra ny raharaha teo anivon’ny polisim-pirenena, fokonolona sahabo any amin’ny 50 olona no tonga tao niaraka tamin’ny Kibota (motoculteur ) 11. Nanao ny fanadihadiana sy nandamina ny polisy satria mbola saika raikitra ny fifamaliana ary fantatra fa misy olobe mpanao politika ambadik’izy roa tonta ireo. Nantsoina ihany koa ny ben ’ny tanana satria efa niezaka nandamina ny raharaha ity farany. Na dia efa nanao ny asany aza ny mpitandro ny filaminana nandamina sy nanao ny fanadihadiana dia hita fa efa nanomboka resy lahatra ireto fianakaviana iray ireto ka samy milaza ny hisintona ny fitoriany avokoa raha samy nafana fo, sady efa tonga tao ihany koa ny oloben’ny tanana sy ny Tangalamena. Tao amin’ny kaominina Ambohitsilaozana Ambatondrazaka no nisehoan’izany ny faha-28 desambra 2018 teo, ka atahorana ny hitarany raha tsy mandray fepetra haingana ny olobe aty Ambatondrazaka. Nitondra vokatra ratsy ho an’ny sasany taty Alaotra iny fifidianana farany teo iny, satria tao ny nisara-bady noho ny politika tsy mifanaraka, ny milaza ho tsy mifandevo-maty, mpinamana mifampiavonavona, sy ny maro hafa .
R Janus