Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona tao Andranomanelatra. Tovolahy kely roa lahy no maty, vehivavy iray kosa naratra mafy. Ny zoma 5 janoary lasa teo tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany no nitrangan’ny loza, fiara kely iray marika Peugeot 307 avy any Antananarivo hitodi-doha eto Antsirabe no tra-doza. Nivadika ambony ambany ary potika tanteraka ilay fiara tsara tarehy. Raha ny filazan’ny olona teny an-toerana nahita ny fitrangan’ny loza, dia nandeha mafy loatra ity fiara ity. Nisongona fiara tsy mataho-dàlana iray izy, avy eo nisongona 405 iray hafa, teo no tsy voafehy intsony ny familiana satria sady niala lavaka no niala fiara hafa saika nifanehitra taminy hoy hatrany ny fitantaran’ny nanatri- maso . Raha ny angom-baovao hatrany, dia nipitika tao anaty fiara mihitsy ny roa tamin’ireo zatovo tao anatin’ilay 307. Tsy nisy avotra ny ain’izy roa lahy ireo. Fantatra fa telo mianadahy izy ireo no tao anaty fiara, ankoatr’ ilay mpamily izay voalaza fa tsy naninona. Fiara sendra nandalo no nitondra ny razana sy ilay naratra tao amin’ny hopitaly Andranomadio io hariva io hatrany. Efa nahazo fitsaboana sahazy azy kosa ilay vehivavy naratra, saingy mbola arahana akaiky ny fahasalamany, satria teo amin’ny faritry ny lohany no voadona.
Andry N.