- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Famonoana tovovavy, nirotaka ny vahoaka

Antsirabe : Famonoana tovovavy, nirotaka ny vahoaka

Tsy nampihemotra ny olona intsony ny “lacrymogène”

Niteraka resa-be ary tsy mbola afaka an-tsain’ny maro  eto Antsirabe ny nahafaty tovavy kely iray vao 17 taona , hita faty tao amin’ny fokontany manodidina ny gara ny taom-baovao 1 janoary 2019 lasa teo. Nifono harona plastika ny lohany tamin’ny nahitana ny razana. Tsy niandry ela ny fanadihadiana nataon’ny tompon’andraikitra  dia nahitam-bokany, satria fantatra ny nahavanon-doza ary efa tazonina ao amin’ny mpitandro filaminana ankehitriny. Tovolahy kely vao erotrerony zanaka lahy tokana mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny “quincaillerie” ao Vatofotsy  no nahavanon-doza. Fantatra, fa niaiky ny heloka vitany izy io ary araky ny tsilian-tsofina mandeha dia tsy vao sambany izy no namono olona tahaka izao.  Taorian’ny fahafantaran’ny fokonolona, fa io tovolahy io no nahavanon-doza dia maro be ireo fokonolona no nizotra nankeny amin’ny trano fonenany eny Manampisoa, làlana mihazo ny kaominina Ambano  handroba sy handrava ny fananany. Mbola teo am-panaovana ny asany  ny mpitandro filaminana nanao fisavana no efa vahoaka maro no tonga handroba sy handrava ilay tanàna. Tsy nampihemotra ny fokonolona ny baomba mandatsa-dranomaso sy ny tifitra ka rava tanteraka no sady may ilay tanàna vao navelan’ny fokonolona. Nitohy omaly maraina ny fandrobana ilay trano ka nongotan’ny olona hatramin’ny kely indrindra azo avadika ho vola. Ny Sabotsy alina io hatrany, nitohy tao Vatofotsy, tao amin’ny tranombarotra ny fandrobana. Soa fa tonga aloha ny Emmoreg nanampy ireo mpitandro filaminana efa teny an-toerana ka voasakana ihany ilay fitsaram-bahoaka na dia efa voaroba aza ny tranom-barotra. Miandry izay mety ho tohin’ity tantara ity ny mpanara-baovao, tsy vao sambany akory no nisy fitsaram-bahoaka mahery vaika toy izao, teto Antsirabe.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici