
Raha fanafihana mitam-piadiana izay saika isan’andro no miseho eto Toamasina, dia tena tranga hafa tsy nisy nanampo na inona na inona indray no niseho ny sabotsy alina nifoha ny alahady maraina teo, satria tsy fantatra intsony na valifaty manokana ny anton’ny zava-niseho, na lonilonim-piainana an-davanandro. Teo am-pidirana ny vavahadin’ny tranon’ny ray aman-dreniny tao Tanamborizano ny alahady maraina tokony ho tamin’ny 02ora ity polisy antsoina hoe Rasolonanahary Jacques 24 taona, no tonga ireo andian’olona voalaza fa nitondra kalaky, avy hatrany dia nitifitra azy ka nahavoa azy im-7 be izao ka ny telo tamin’izany nahavoa ny vatany avokoa. Vao nahavita ny iraka nampanaovina azy ireto andian’olona nitifitra ireto, avy hatrany dia nitsoaka. Raha nivoaka nijery ny zava-nitranga ny tao an-trano dia ilay polisy efa maty tsy tra-drano teo am-bavahady nihosin-drà no hitan’ny havany, tsy nisy zavatra azo natao intsony ho azy ireo raha tsy ny nikarakara ny maty. Araka ny fanazavana azo, dia polisy tsy manana olana amin’ny fahatsorany ity polisy maty nisy nitifitra ity, tsy very tamin’izao nahazo azy izao koa ny basy sy ny fananany rehetra teny aminy, tamin’io fotoana nahavoatifitra azy io. Na hitory ny havan’ny maty na tsy hitory dia misokatra avy hatrany ny fanadihadiana ho fitadiavana izay mety nahavanona sy izay mety ho mpaniraka tamin’ny fitifirana nahafaty polisy am-perinasa izao. Ankoatra izay, dia ho entina halevina an-tanindrazany any Antanambe Ambatondrazaka ny razana aorian’ny fombafomba misy eo anivon’ny polisy sy ireo mpiara-miasa aminy ao amin’ny kaomisarian’i Toamasina I. Raha mbola mitohy izany ny fanadihadiana tamin’ny famonoana polisy telo lahy farany teo tany Fenerivo atsinanana, na efa misy miandry am-ponja aza ny ampahany tamin’izany, dia miseho indray ity fitifirana polisy tsy hay valifaty, tsy hay lonilony, tsy hay fialonana ity; ho hita eo ny tohiny.
Malala Didier