Notanana am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjaben’Antanimora avokoa ireolehilahy miisa fito nosamborin’ny mpitandro ny filaminana nandritra ny hetsiky ny mpomba ny kandida Marc Ravalomanana ny Sabotsy 05 janoary teo teny Analakely. Omaly izy ireo no natolotra ny fampanoavana rehefa avy notanana indroa alina teny amin’ny tobin’ny zandary misahana ny heloka bevava en Fiadanana. Voalaza fa heloka telo sosona no hanenjehana azy ireo ka nandraisan’ny Fitsarana izao fanapaha-kevitra izao. Voalohany amin’izany ny fandraisana anjara tamin’ny fihetsiketsehana an-dalambe tsy nahazoana alalana. Faharoa, ny fanohitohinana ny filaminam-bahoaka. Fanompana sy fanaovana herisetra tamin’ny mpitandro ny filaminana kosa ny fahatelo. Isan’ny nanenjehana azy ireo ny amin’ny nahitana «cocktail molotov » teny Analakely tamin’io Sabotsy io nandritra ireny hetsika ireny. Ny zava-nisy teny amin’ny Fitsarana omaly aloha dia azo lazaina fa tena nampiseho fahamailoana tanteraka ny tao amin’ny Fampanoavana raha niatrika ny fanadihadiana ireto olona ireto. Ireto olona ireto no noraisina farany indrindra izany hoe efa hadiva hariva vao niditra ny efitrano izy ireo. Natao angamba izany vokatry ny resaka be nandeha ny amin’ny mety hisian’ny vahoaka be ho eny Anosy, hanaraka ireto olona ireto. Tsy dia izany loatra anefa nonitranga fa nilamina tanteraka ny teny an-toerana omaly.
T.M.