Nafana ny raharaha tao Fenerivo Atsinanana, ny sabotsy 05 janoary teo, satria ny zoma 04 janoary tamin’ny 10ora alina dia nisy tovolahy 23 taona antsoina hoe Marcellin niaraka tamin’ny vadiny avy namangy havana marary tany amin’ny hopitaly no nisy nanendaka teo amin’ny “rond point” Sahavola. Raha ny fantatra, dia telo lahy ireo mpanendaka, tafatsoaka kosa ny vadiny raha niezaka nanohitra ireto mpanendaka ilay tovolahy. Tsy nahatohitra izy ka voatsatok’antsy teo amin’ny kibony ary lasan’ireo mpanendaka ny finday teny aminy. Ilay vadiny tafatsoaka no nampandre ny fianakaviany ary ireto farany no niezaka nitondra azy teny amin’ny hopitaly; saingy noho ny fahaverezan-drà be loatra, dia tsy tana ny ainy na nanao ny ezaka rehetra aza ny mpitsabo. Ny alin’ny zoma 04 janoary ihany dia tratra tao anatina karaoke iray tao Fenerivo Atsinanana ny roa ka isan’izany i Nadson; izay efa mpamerin-keloka amin’ny fanendahana sy vaky trano any an-toerana. Ny sabotsy 05 janoary raha nahare fa voasambotry ny zandary ireto nanendaka sy ny namono ny havany, dia nirohotra nankeny amin’ny biraon’ny zandary ireo fianakaviana sy ireo fokonolona , ny antony dia ny ho fitakiana ny hanaovana fitsaram-bahoaka an’i Nadson sy ilay namany raha mbola karohana ny fahatelony tamin’ny fahafatesan’i Marcellin. Efa saika raikitra ny sakoroka tamin’izao fangatahana fitsaram-bahoaka izao, saingy raha nisy ny fifampiresahana teo amin’ny fianakavian’ny maty sy ny zandary dia nilamina izany.
Malala Didier