- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversTanandava Toamasina II : Tratran’ny FIP ireo andian-jiolahy namaky magazay feno jirofo

Tanandava Toamasina II : Tratran’ny FIP ireo andian-jiolahy namaky magazay feno jirofo

Mazana lasibatry ny andian-jiolahy mpamaky magazay ireo magazay goavana ao anatin’ny tananan’i Tanandava Toamasina II, amin’ny lalam-pirenena faha-2. Ny antoandron’ny alatsinainy 7 janoary 2019 dia nanararaotra ny fahanginana misy ireto andian-jiolahy am-polony ka namaky ny magazai- n’ny orinasa Calidus misy ireo jirofo maro be anaty gony efa vonona haondrana any ivelany. Efa nisy tafavoakan’ireo andian-jiolahy ireto ny gony sasany tamin’ireto jirofo izao izy tratran’ny polisin’ny FIP izao; tsy nanam-po na inona na inona koa ireto andian-jiolahy ireto tamin’ny fahatongavan’ny FIP ka tsy nisy na iray aza afa-nihetsika sy nitsoaka ka voasambotra avokoa izy folo lahy ireto. Ny fanadihadian’ny polisin’ny FIP tonga teny an-toerana no nahafantarana fa mpiasa tao amin’ity orinasa Calidus ity ihany no atidoha tamin’izao fikasana hangalatra gony feno jirofo izao. Ankoatra izany, dia mitady fiaraha-miasa amin’ny rehetra sy ny andrimasom-pokonolona ny komandan’ny FIP Toamasina, fa vonona ny hanome valisoa ho an’ireo rehetra manome vaovao momba ireo andian-jiolahy nitifitra nahafaty ilay polisy 30 taona maty voatifitra teo am-pidirana ny vavahadiny ny alahady maraim-be teo ny tenany. Satria raha ny fanazavana azo, dia ny sabotsy alina nifoha ny alahady teo nitrangan’ity fahafatesana polisy hamonjy fodiana ity dia maro ireo antso vonjy fanafihana mitam-piadiana voarain’ny polisy ; izay misy ifandraisana tamin’izao raharaha izao

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici