Dahalo telo lahy no azo sambo-belona niaraka tamin’ny omby nangalarina. Tao amin’ny fokontany sy kaominina Marokoro, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, no nahasarona ireo jiolahy ireo, ny Alakamisy lasa teo, tokony ho tamin’ny dimy ora maraina. Araka ny fanazavana voaray avy tamin’Atoa Rija, izay dahalo niova fo no sady lehiben’ny dinam-pokonolona any amin’iny disitrikan’i Tsaratanàna iny, dia ny Alarobia 02 Janoary lasa te, no nahitana dahalo telo nitondra basim-borina iray no tonga nandroba omby 25 teo ho eo, izay avy nangalarina tany amin’ny fokontany Keliloha sy Betrandraka, any amin’ny disitrikan’i Tsaratanàna. Niditra an-tsehatra avy hatrany Atoa Rija sy ny fokonolona any amin’ireo fokontany roa izay voalaza etsy ambony ireo. Rehefa tonga tao amin’ny kaominina Marokoro ny mpanara-dia, dia nifankatratra izy ireo sy ny dahalo izay nanesy ny omby, ka raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta, ny alakamisy maraina teo, ary naharitra telopolo minitra teo ny fifandonana, ka tsy naharesy tosika ny malaso ary vaky nandositra, ny iray tamin’izy ireo kosa no azo sambo-belona niaraka tamin’ireo omby 25. Vokatry ny fanadihadiana natao tamin’io dahalo io, no nanondroany ny namany tafaporitsaka, ka teo no nahasarona ireo jiolahy roa namany tao Marokoro an-tampon-tanàna. Tsy nisy naratra na aina nafoy tamin’ireo fokonolona sy Atoa Rija nandritra ny fifandonana. Ny Alakamisy teo ihany no natolotra ny Zandary tao Marokoro izy telo lahy. Tafaverina tamin’ny tompony avokoa ny omby rehetra. Mitohy ihany koa ny fikarohana ataon’ny Zandary ireo dahalo sasany, ary nosokafana kosa ny fanadihadiana momba ity fanafihana nandamoka ity.
Ratantely