Mbola tena mitana ny sain’ny maro eto Toamasina ny nahafaty an-dRasolonanahary Jacques 30 taona, polisy miasa eo anivon’ny Unité d’Intervention Rapide (UIR) Toamasina, maty voatifitry ny basy kalaky teo am-podiana tao Tanamborizano, ny maraim-ben’ny alahady teo raha nifanehitra tamin’ireo andian-jiolahy raha ny fanazavana azo. Taorian’ny fahafatesan’ity polisy ity, dia namoaka fanambarana ny polisim-pirenena teto Toamasina, ka tamin’izany no nilazan’izy ireo fa tamin’io fotoana nitrangan’ny fahafatesan’ity polisy ity izao, dia maro ny zavatra nifamahofaho nitranga ny alina ny sabotsy sy ny alahady io; voalaza tamin’izany fa tamin’ny 01ora marainan’ ny alahady dia nisy trangm-panafihana niseho nilana vonjin’ny polisy tao Tsarahonenana Betainomby, tamin’ny 02ora ihany koa dia nisy fanafihana niseho tao amin’ny Cité Botanique, izay netsehina avokoa ny polisy teto Toamasina nanao ny fanenjehana azy ireo sy nanao ny fanaraha-maso ny manodidina sy ny Tanana, saingy tafatsoaka hatrany ireto andian-jiolahy ireto araka ny fampitam-baovao azo avy tamin’ny polisy. Heverina hoy ny polisy, fa ireo andian-jiolahy nifanenjehana ity nifanehitra tamin’ity polisy voatifitra hamonjy fodiana ity, satria nanao fanamiana maha-polisy azy izy tamin’ny fotoana nahavoatifitra azy io. Efa tonga an-tanindrazany any Tanambe Ambatondrazaka ny razana izao araka ny fampitam-baovao azo hatrany. Ny polisy misahana ny heloka be vava no misahana ny raharaha ary miangavy fiaraha-miasa amin’ny rehetra ny polisy mba hanome vaovao azy ireo tamin’ireto andian-jiolahy mamaky ady amin’ny polisy ity. Ankoatra izay raha ny fampitam-baovao azo ihany, fa ny talata 8 janoary 2019 dia mpandraharaha iray no nisy nanafika tamin’ny andro antoandro be nanahary tamin’ny lalam-baovao Relax, akaikin’ny làlana antsoina hoe : « be menaka », ka vola 40 tapitrisa ariary no very tamin’izany araka ny vaovao.
Malala Didier