Raha tsy nisy zandary tao anatin’ilay fiara fitaterana, dia mety ho ratsy ny nanjo ny mpandeha. Teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra, taxi-brousse izay avy eto an-dRenivohitra hihazo an’i Mahajanga no nisy nanakan-dàlana tamin’ny vatobe. Ny marainan’ny alatsinainy teo, tokony ho tamin’ny roa ora latsaka, no niseho ilay asan-jiolahy. Dimy lahy izay nitazona basim-borona sy MAS 36 no tompon’antoka tamin’ny fanafihana. Soa fa nisy mpitandro filaminana anefa tao anatin’ilay fiara. Ireo no nidina avy hatrany ary nitifitra. Izany koa no nampitifitra nitsoaka ireo olon-dratsy; izay nanjavona tao anatin’ny haizina. Tsy nisy ny naratra ary mba tsy tontosa arak’izany ny fanafihana ilay taxi-brousse. Fa teo alohan’io fiara fitaterana io, dia fantatra fa nisy fiara iray hafa, tsy mataho-dàlana, izay an’ny tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny minisitera iray. Io no voatafik’ireo olon-dratsy. Tsara vintana anefa, satria tsy dia nifanalavitra tamin’ilay taxi-brousse izay avy ato aoriana no sady nisy mpitandro ny filaminana koa. Nisy ihany ny zavatra lasan’ireo olon-dratsy, saingy mba tsy naninona ny olona tao anatin’ilay 4X4. Tsy dia nanam-potoana be nandrobana ireo olon-dratsy vokatry ny poa-basy. Mbola mitohy hatrany izany ny fanakanan-dàlana amin’ny lalam-pirenena na dia efa nifanesy aza ny hetsika fanadiovana ny olon-dratsy. Tsy misy vahaolana hafa ankoatry ny fanarahan’ny mpitandro ny filaminana ny fiara mandeha alina hatreto.
D.R