- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversValan’aretina kitrotro eto Toamasina : 25 hatramin’ny 30 isan’andro ireo zaza miditra...

Valan’aretina kitrotro eto Toamasina : 25 hatramin’ny 30 isan’andro ireo zaza miditra hopitalin-jaza

Nanao atrikasa niresahana momba ity valan’aretina kitrotro mahazo vahana eto Toamasina hatramin’ny volana novambra ny taona lasa ity ireo tompon’andraikitra samihafa, na ara-pahasalamana, na ara-pitantanan-draharaham-panjakana, na ireo orinasa samihafa, na ireo mpisehatra amin’ny fanabeazana ihany, ny talata teo. Nandritra izany no nilazan’ny mpitsabo misahana ny fitsaboana zaza eo anivon’ny hopitaliben’i Toamasina, Dr Hery, fa manodidina ny 25 hatramin’ny 30 isan’andro ny zaza miditra hopitaly noho ity valan’aretina kitrotro ity. Mazana efa tena misy fahasarotana sy efa tena malemy ny zaza vao tonga eny amin’ny hopitaly ny ray aman-dreniny noho ny resaka ara-bola amin’ny fitsaboana, sy ny resa-be mandeha momba ny tsy azo atao ho an’ny zaza voan’ny kitrotro. Isan’ireny ny hoe tsy azo omena rano mangatsiaka sy tsy azo omena menaka ary tsy maintsy atao mafana be ny zaza voan’ny kitrotro. Ao anatin’izay ihany koa dia miisa 1.037 ireo zaza voaisa voan’ny kitrotro voarain’ny tompon’andraikitry ny fahasalamana Toamasina I nanomboka ny 05 novambra ny taona lasa, raha ny fanazavana azo, ka fokontany Mangarano, Morarano, Ambalakisoa, Depot Analakininina, Ambalabe, ireo fokontany tena maro nahitana zaza voan’ny kitrotro raha ny fanazavana azo. Raha ho an’i Toamasina II kosa dia kaominina 08 amin’ny 18 izao no ahitana ity valan’aretina ity, ka miisa 119 ireo fantatra fa efa mararin’ny kitrotro any an-toerana amin’izao. Noho izao zava-mitranga izao, izay fepetra niraisin’ny tompon’andraikitra rehetra teto Toamasina ny talata teo, dia misy ny fanaovam-bakisiny ny 14 hatramin’ny 18 janoary ho avy izao momba ny fiarovana ny zaza amin’ny Kitrotro. Hafa kely ity fanaovam-bakisiny ity satria tsy ireo mpanentana ara-pahasalamana miisa 128 eo anivon’ny distrikan’ny fahasalamana Toamasina I sy Toamasina II intsony no mitety tokantrano fa ny fianakaviana tsirairay indray no manatona ireo CSB sy ireo biraom-pokontany ary ireo sekoly manao izany vakisiny izany, ka ireo zaza mbola tsy voan’ny kitrotro, sy ireo zaza efa sitrana voan’ny kitrotro ihany no azo atao. Ireo mbola marary kosa dia miandry ny fahasitranany vao azo atao. Mikendry hahatratra zaza miisa 80.000 ho vita vakisiny ny tompon’andraikitry ny fahasalamana amin’izao hetsika izao, satria izay ihany koa no miteraka fiarovana mafy ho an’ny zaza momba ity valan’aretina kitrotro ity eto amintsika.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici