- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversFanafihana mitam-piadiana teto Toamasina : Tratra ireo telo lahy nanafika ilay tranombarotra...

Fanafihana mitam-piadiana teto Toamasina : Tratra ireo telo lahy nanafika ilay tranombarotra mpamongady tao Anjoma

Ny 31 desambra ny taona nivalona iny dia nisy nanafika ity tranombarotra mpamongady zava-pisotro iray tao Anjoma ity. Tokony ho tamin’ny 02 ora tolakandro, io alatsinainy 31 desambra 2018 io, no tonga ireto telo lahy nitondra moto; ka ny iray niambina tety ivelany ny roa lahy kosa niditra tao anatiny. Ny iray nihazona basy teo am-baravarana niambina izay mivoaka, ny faharoa kosa naka ny vola tamin’ilay tompon’ny tranombarotra. Lasa tamin’izany ny vola 06 tapitrisa ariary, ary vao nahazo izany izy ireo dia nitsoaka, nefa tsy arak’izy ireo fa tratran’ny fakan-tsary niafina teo ivelan’ilay tranombarotra izy ireo, ka nanamora ny fikarohana azy ireo izany. Tratran’ny polisy avy ao amin’ny boriborintany voalohany Tanambao II izy telo lahy ireto izao, nahitana an’Ingahy isany Max Marcellin 35 taona mpitondra posy, ilay niambina tety ivelany, Nomenjanahary Désiré 29 taona mpiambina tsy miankina (sécurité) ilay nitazona ny basy PA vita gasy, ary Ndriana Jean Michel 24 taona tsy an’asa ilay naka ny vola. Nambaran’ny kaomisera Rakotovao Jean Christian misahana ny kaomisarian’i Toamasina II fa mitohy ny fikarohana ny raharaha, satria mbola tsy hita ilay basy PA vita gasy fampiasan’ireto andian-jiolahy. Ilay voalaza fa nanofana izany koa mbola tafatsoaka ka eo am-pikarohana azy ny polisim-pirenena amin’izao fotoana izao. Na izany aza miandry fitsarana azy ireo am-ponja izy telo lahy mpanao fanafihana mitam-piadiana ireto taorian’ny fiakaran’izy ireo fampanovana sy mpitsara mpanao famotorana. Ankoatra izay dia nanome toky ireo kaomisera misahana ny kaomisaria telo sy vondrona polisy misahana hery vonjy taitran’ny polisy miisa roa eto Toamasina ary ireo sampan-draharahan’ny polisy samihafa misy eto Toamasina, fa tsy ataon’izy ireo ho latsaka an-tany fotsiny ny ràn’ny naman’izy ireo novonoin’ny andian-jiolahy raha namonjy fodiana. Efa mandeha ny fanadihadiana ary efa kely sisa dia hody ventiny ny rano nantsakaina mikasika izany, hoy hatrany ireto polisy ireto.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici