- Publicité -
mercredi, janvier 14, 2026
AccueilFaits-DiversBetroka : Mpiasam-panjakana nisy naka an-keriny

Betroka : Mpiasam-panjakana nisy naka an-keriny

Tao Isoanala, distrika Betroka no nitranga ilay fakàna an-keriny. Mpiasan’ny rano sy ala, “sefon’ala” ny  ahafantaran’ny maro ny andraikitra tazominy, satria mpiambina ala no tena asany. Nisy naka ny alin’ny alatsinainy hifoha talata teo, tao an-toerana. Vola mitentina 12 tapitrisa ariary no notakian’ireo jiolahy ; izay nandrahona ny hamono azy raha tsy voaloa izany. Nandeha ny fifampiresahana izay niafara tamin’ny famotsorana azy. Nisy ny vola naloa ary tsy nidina tamin’ilay voalaza etsy ambony ny olon-dratsy. Nanokatra fanadihadiana ny zandary ; izay tsy nahafantatra ny zava-nitranga raha tsy efa votsotra ilay rangahy. Tsy eto an-drenivohitra irery intsony no miseho ny fakàna an-keriny fa lasa misandrahaka manerana ny Nosy. Na ny dahalo aza dia lasa mahay an’izany tanteraka ankehitriny.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici