
An’arivony, hatrany ambanivohitra, no miaina ao anatin’ny aretina sy miandry izay fitsaboana ho azy. Nanomboka tamin’ny volana novambra tamin’ny taon-dasa no efa nahitana tranga ny tany an-toerana. Ny tapaky ny volana desambra kosa no nambara fa nanomboka nisy maty. Vokatry ny tsy fahampian’ny fitsaboana dia niely sy niparitaka izany ka saika ny isan-tokantrano mihitsy no miaina io aretina io ankehitriny. Ny zaza amam-behivavy no voalaza fa lasibatra, fa indrindra ny reny mitondra vohaka. Marefo ny hery fiarovana amin’izy ireo, moa betsaka ireo ankizy no tsy mbola vita vakisiny fanefitra akory nanomboka tamin’ny fahasivy volany. Aretina sarotra sitranina raha toa ka tsy voatsabo haingana ny aretina kitrotro. Vitsy amin’ireo mponina any an-toerana anefa no mba manatona tobim-pahasalamana fa miaina amin’ny fitsaboana nentim-paharazana sy fisotroana tambavy. Manampy trotraka rahateo, hoy ireo mponina avy any, ny tsy fahampian’ny mpitsabo, fidangan’ny saran’ny fitsaboana sy fahalafosan’ny fanafody vidina ka mihemotra ny maro miandry izay higadonany. Moa mandeha amina kilometatra maro vao mahita toeram-pitsaboana. Mararin’ny aretina kitrotro avokoa amin’izao fotoana no mameno ireo toeram-pitsaboana rehetra misy ao Ambato Boeny, araka ny vaovao voaray. Na dia tsy ampy fahefana hitsabo azy aza izy ireo dia mihafy, na hatory eny an-tokotany aza. Vokatr’io tsy fananana io, misy amin’ireo marary no mamonjy fodiana tsy fidiny ka tsy vitsy amin’izy ireny no mamoy ainy, indrindra fa ny any ambanivolo, izay saika ahenoana olona iray maty isan’andro, araka ny tatitra hatrany.
Miantso vonjy amin’ireo tompon’andraiki-pahefana isan’ambaratongany indrindra fa amin’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, araka izany, ny vahoaka ao amin’ny distrikan’Ambato Boeny. Miantso fandraisana an-tanana, indrindra fa amin’ny fitsaboana ireo marary ireo. Mihanaka izay tsy izy mantsy ny aretina ka ahiana ho ripak’io valan’aretina io avokoa ny fianakavina manontolo noho izy tsy voafehy intsony.
Tantely Vandriam