- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 29, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFisolokiana : Pasitera sandoka milaza mahatafiditra mpiasa ao amin’ny minisiteran’ny Fampianarana

Fisolokiana : Pasitera sandoka milaza mahatafiditra mpiasa ao amin’ny minisiteran’ny Fampianarana

Hain’ity olona ity ny mampiresaka ireo hosolokiany. Voasambotra tamin’ny alarobia faha-21 may teo teny Ampitatafika ny lehilahy iray misoloky ho mahatafiditra mpiasa ao amin’ny minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Voalohany. Mitonona ho pasitera amina fingonana iray lehibe eto an-drenivohitra ity olona ity. maro ireo natoky azy tamin’izany ary dia roboka tokoa. Ireo mpampianatra FRAM, araka ny vaovao voaray, no tena lasibatra amin’izany. Asainy mamorona “dossier”, avy eo angalany vola hatrany amin’ny1 tapitrisa ariary, dia tafiditra mpiasa raikitra. Ireo olona te ho tale na mpiasam-panjakana ambony kosa dia voasoloky volabe tokoa, satria mahatratra 14 tapitrisa mehery izany. Izay avy andraisana vola dia ilazany handalo eny amin’ny minisitera. Rehefa eny anefa, miveri-maina fa tsy misy “dossier” tafiditra akory eny. Maro ny olona nitaraina vokatr’izany ary nametraka fitoriana teny amin’ny mpitandro filaminana. Natao ny fikarohana an’ilay olona ary dia izao izy voasamboatra izao. Tamin’ny fotoana nahatratrarana azy, nifamotoana tamina vehivavy roa teny Ampitatafika izy ary dia noraisim-potsiny. Voalaza fa eny no fihaoanany amin’izao olona hofitahiny. An’ny anabaviny io trano io. Eny Ambohibao izy no monina, araka ny vaovao voaray hatrany. Hatolotra ny Fampanoavana tsy ho ela ity mpisoloky ity.

r.s.

- Publicité Google Ads -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser