- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversAtsimondrano : Lehilahy maty voatifitry ny jiolahy

Atsimondrano : Lehilahy maty voatifitry ny jiolahy

Tsy misy tokoa ny tsy mikaikaika amin’ity resaka tsy fandriam-pahalemana ity mahazo vahana eto amintsika ity, na an-drenivohitra na ambanivohitra. Ny faran’ny herinandro lasa teo dia tokatrano iray indray no lasibatry ny asan-jiolahy tao Mahaimandry, ao amin’ny kaominina Ambohijanaka, distrika Antananarivo Atsimondrano. Vokany, raim-pianakaviana iray 31 taona no maty, taorian’ny tifitra nahazo azy. Ny alin’ny sabotsy hifoha alahady lasa teo no nitrangan’izany fanafihana izany, araka ny tatitra azo avy amin’ny zandary. Telo lahy ireo mpanafika, hoy ny vaovao ary nirongo basim-borona. Niditra an-keriny tao amin’ity tokatrano ity izy ireo ary tsy nisalasala tokoa nampiasa ny fitaovam-piadiana teny am-pelan-tanany. Voatifitra tamin’izany ilay rangahy tompon-trano ary naratra mafy tokoa. Vola manodidina ny dimy alina sy iray hetsy ariary teo kosa no lasan’izy ireo araka ny vaovao ao hatrany. Vao azon’izy ireo ny vola dia lasa nitsoaka ireo olon-dratsy. Taorian’izay no niantso vonjy ny voatafika. Nezahina nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana ity olona voatifitra ity saingy noho ny haben’ny ratra dia namoy ny ainy izy. Efa tonga teny an-toerana nanao ny fanadihadiana mahakasika ity fanafihana ity moa ny tompon’andraikitry ny filaminana avy ao amin’ny borigadin’Andoharanofotsy. Mandeha ihany koa ny fikarohana ireo nahavano-doza.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici