- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversTsiroanomandidy : Mpanolana voasambotry ny olona

Tsiroanomandidy : Mpanolana voasambotry ny olona

Zazavavy vao efa-taona monja no niharan’ny habibian’ilay rangahy. Manambady io farany ary fantatry ny olona ao an-tanàna ny momba azy. Teo am-panatontosana ny asaratsiny izy no saron’ny olona izay avy hatrany dia tezitra tanteraka. Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka raha tsy tonga faran’izay haingana ny polisy niaro azy. Tao amin’ny fokontany Mangarivotra, ao Tsiroanomandidy, no niseho ilay asaratsy. Niezaka ny nitsoaka ihany ilay rangahy tompon’antoka saingy tsy namelàn’ireo olona marobe raha tsy azo. Nentin’ny polisy avy hatrany tany amin’ny biraony ary nosokafana ny fanadihadiana azy. Eto amintsika dia isan’ny mafy ny lalàna mifehy ny fanolanana zaza tsy ampy taona. Rehefa mandalo eny amin’ny fampanoavana aloha, raha vao tsy ampy taona fotsiny no voakasiky ny raharaha, dia efa midoboka am-ponja hatramin’ny fe-potoana lava indrindra azo itazomana azy. Mbola azon’ny mpitsara halavaina aza izany fetr’andron’ny MD izany, araka izay mampiety azy mba ho fananarana ilay olon-dratsy. Vita izay vao miditra amin’ny fitsaràna ady heloka bevava amin’izay, satria sokajiana ho toy izany ny fanolanana. Na mafy aza anefa ny lalàna manan-kery dia mbola misy ihany ny olona adala sahy manatontosa fanolanana.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici