- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversVakinankaratra : Mihanaka ny aretina kitrotro, telo no efa maty

Vakinankaratra : Mihanaka ny aretina kitrotro, telo no efa maty

Tsy mitsaha-mitombo ny olona voan’ny kitrotro raha eto amin’ny faritra vanikankaratra no resahana. Ankoatra ny olona telo fantatra fa matin’ity valan’aretina ity dia mahatratra 1179 ny olona voamarina fa voan’ny kitrotro, araka ny tarehimarika voaray ny faramparan’ny herinanandro lasa teo. Saika efa ahitana ity valan’aretina ity  avokoa ny distrika fito mandrafitra ny faritra Vakinankaratra fa ny distrikan’ Antanifotsy no voalaza fa maro indridra ny olona no voa. Tao rahateo no nahitana ireo olona roa matin’ny kitrotro, ary tao Ambatolampy kosa ny iray. Araka ny fanazavana nomen’ny teo anivon’ny sampandraharahan’ny fahasalamam-bahoaka eto Vakinankaratra dia tsy ny zaza intsony no tena voan’ity aretina ity  fa efa misasaka mihitsy ny olon-dehibe sy ny zaza amin’izao. Nambara mihitsy aza fa ny olon-dehibe no tena tratran’ny kitrotro. Nohamafisina  fa tsy misy afa tsy ny fanaovana vakisiny fanefitra ihany no vahaolana hiadiany amin’ity aretina  kitritro ity. Efa nahazo izany rahateo ny eto Vakinankaratra satria nanomboka omaly no efa niparitaka tany amin’ny toeram-pitsaboana toy ny CSB II ny vakisiny ka hanentanana ny rehetra hitondra ny zaza  9 volana ka hatramin’ny 9 taona hanao vaksiny fanefitira. Distrika efatra tena ahitana ity aretina ity no hanombohana ny hetsika, dia Antanifotsy, Antsirabe I sy II ary Ambatolampy. Amin’ny ankapobeny raha ho an’ny faritra  Vakinankaratra dia manodidina ny 82% ny tahan’ny olona nanao vaksiny raha tokony ho 95 izany amin’ny vaksiny voalohany fotsiny,  mihena io taha io amin’ny famerenana ny vaksiny satria mbola andoavam-bola. Isan’ny antony mahatonga ny taha hiakatra izany miampy ny fanaovana tsinontsinona ny aretina. Na izany aza dia nahasarika olona maro  ny hetsika fanaovam-bakisiny izay nanomboka omaly teto Antsirabe tsy tany amin’ny distrika hafa.

Andry N. 

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici