Olam-pitiavana hatreto no heverin’ny maro, fa mety ho nitarika ny famoizam-po izay nataon’ity mpitandro ny filaminana. Vao maraina, ny alahady teo, dia nalainy ny basy ka nitifirany ny lohany. Poleta Mac 50 izay misy bala 9mm io nampiasainy io, izany hoe an’ny toeram-piasany ihany. Maty tsy tra-drano ilay zandary « hors classe » izay manambady ary manan-janaka telo. Nampakarina omaly teto an-dRenivohitra ny razana, nalefa fiaramanidina. Ny solon-tenan’ny mpiara-miasa aminy kosa izay hanao adidy farany, miaraka amin’ny fianakavian’ny maty, dia nandeha sambo nihazo an’i Toamasina. Koa satria nisy ny fampiasam-basy ary koa nisy ny aina nafoy, dia nisy ny fanadihadiana nosokafan’ny zandary ihany. Maromaro sahady izay namoy fo izay hatramin’ny niandohan’ny taona. Ny teto an-dRenivohitra dia isan’ny nanamarika izany ny fitsorahan’ny olona tao amin’ny ranon’Ikopa. Isan’izany ilay tovolahy izay nitsambikina tao ambany tetezan’i Tanjombato ary izany rehetra izany dia teo imason’ny olona marobe ; izay nampiasa arabe. Hitan’ny olona mivantana ny rehetra, hatramin’ny nikarohana azy tao anaty rano izay nataon’ny mpamonjy voina. Ny ampitson’iny indry dia nisy tovovavy iray koa nisaoty tao ambany tetezan’ Anosizato. Io indray dia mba avotra ny ainy, satria nisy nahita sy nanavotra tao anatin’ny fotoana fohy izy. Ny hitovizan’ireo dia saika olana ara-pitiavana avokoa. Ny iray dia vao avy niantso an-telefaonina ny olon-tiany no tapa-kevitra ny nitsoraka tao anaty rano. Isan’ny mbola tafiditra ao anatin’ity pejy maizin’ny famonoan-tena ity koa ny fitsorahan’ny mpiasan’ny minisitera iray etsy Ambohidahy teny amin’ny rihana fahadimy ka nahafaty azy. Olana ara-pitiavana koa io.
D.R