Raha ny vaovao marim-pototra avy any an-toerana dia olona telo no matin’ny tazomoka, 162 kosa ireo marary amin’izao fotoana izao any amin’ny kaominana ambanivohitra Andriba, ato anatin’ny disitrikan’i Maeavtanàna. Ankoatra ny aretina kitritro izay malaza eto amintsika dia mamely mafy ihany koa ny aretina tazomoka any Andriba. Hatrany ambanivohitra moa dia miaina ao anatin’ny aretina tazomoka sy miandry izay fitsaboana ho azy. Nanomboka tamin’ny volana desambra hatraty amin’ny volana janoary ity kosa dia nambara fa nanomboka nisy maty. Vokatry ny tsy fahampian’ny toeram-pitsaboana dia niparitaka ity valan’aretina bemangovitra ity, saika ny isan-tokantrano mihitsy no ahitana io aretina io ankehitriny. Ny zaza amam-behivavy hatramin’ny olon-dehibe no voalaza fa lasibatra, fa indrindra ny reny mitondra vohaka tsy mampiasa lay misy ody moka. Malemy sy fanina ary mandoa rà izay voany, ary raha vao tara manatona dokotera na mamonjy tobim-pahasalamana, tonga dia maty. Maripana no fiantombohan’ny aretina, ary mahafaty haingana dia haingana raha tsy mahazo fanafody ara-potoana, hoy kosa ilay mpitsabo iray, izay nitondra ny fanazavany taminay. « Azo tsaboina tsara ity aretina ity, raha mahazo fanafody haingana ny marary, saingy ny fahalaviran-toerana sy noho ireo marary any ambanivolo malaina mamonjy toeram-pitsaboina fa miaina amin’ny fitsaboana nentim-paharazana sy mitanika ravin-kazo na fakan-kazo no mahabetsaka ny marary sy ireo olona namoy ny ainy .» Manampy tosika rahateo ihany koa, hoy ireo mponina any an-toerana, ny tsy fahampian’ny mpitsabo sy fidanganan’ny saran’ny fitsaboina ary ny fahalafosan’ny fanafody vidina, ka mihemotra ny maro miandry izay higadonany. Maro ihany ireo olona mandeha amina kilaometra vao tonga sy mahita toeram-pitsaboana. Manoloana izany indrindra dia manao antso avo amin’ireo olona any an-toerana vokatry ny aretina tazomoka, ny dokotera Ianitra, chef csb 2, ao Andriba, mba tokony hanatonan’ireo olona ny tobim-pahasalamana sy hampiasan’izy ireo ny lay misy ody moka.
Ratantely