Hatairana ny an’ireo olona tonga hilalao baolina teo amin’ity kianja filalaovam-baolina kitra iray eo Betongolo ny talata 15 janaoary tokony tamin’ny 1 ora antoandro raha nahita lehilahy iray nivalapatra toa tsy misy aina intsony teo amin’io toerana io. Tsy diso ny fijerin’izy ireo satria efa vatana mangatsiaka tokoa io. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny zandary avy ao amin’ny borigady Betongolo hizaha ny zava-misy raha vao nandre ity tranga ity. Ny fizahana nataon’ny dokotera no nahalalana fa mety ho noho ny havizanana tafahoatra loatra no nahafaty ity lehilahy ity. Tsy nahitana ratra na vono rahateo tamin’ny vatany. Ny taratasy momba azy izay hita teny aminy no nahalalana fa 50 taona ity lehilaly ity izao maty izao. Taorian’ny fizahana dia natolotra ny fianakaviana ny razana.
T.M.