- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Basy vita gasy niaraka tamin’ny bala, saron’ny zandary

Moramanga : Basy vita gasy niaraka tamin’ny bala, saron’ny zandary

Bala enina tena izy 9mm  niaraka tamin’ny basy vita gasy roa tena manara-penitra sy ny fanafody gasy no indray tratran’ny zandary teto anivon’ny vondron-tobi-parotry ny Moramanga izay notarih’ny komandiny ny Capitaine Milison Gabriel ny alin’ny 12 janoary 2019 tao amin’ny efitrano fisotroana iray teto antampon-tanan’i Moramanga. Fiaraha-miasan’ireo zandary tamin’ny vahoaka eto Moramanga no nahatrarana ireo olon-dratsy  izay efa niomana ny hanao fanafihana mitam-piadiana tato anayin’nyndistrika ihany araky ny loharanom-baovao ary neken’izy ireo nandritra ny famotorana natao azy ireo ;raha toa ka efa nandramana napoaka tao amin’ny fokontany Ambohitranjavidy ny bala iray. Ao anatin’ny fanaovana ireo teti-kady entina mampandry fahalemana ny tanan’i Moramanga rahateo ireo zandary eto Moramanga ary efa nametraka ireo paikady maro samy hafa mahakasika izany ; ka izao nahatrarana ireo jiolahy efa nivonona tamin’ny teti-dratsiny izao.Efa eo andalam-pisam-borana ireo mbola jiolahy iray tetika amin’izy ireo ny mpiara-miasa akaiky amin’ity manam-boninahitra ity raha toa ka efa fantatra avokoa ny toerana misy azy ireo. Tsy hijanona ny fanadihadiana ny amin’izay nipoiran’ireo bala sy ny nahazoana ireo basy izay tena manara-penitra tokoa ireo zandary. Hantratra sy hanafoana ny tsy rariny no tanjona hoy hatrany ity manamboninahitra ity. Hanatsarany  fiaraha-miasa sy ny fifandraisana akaiky eo amin’ny vahoaka sy ireo zandary ato anatin’ ny vondrontobim- paritra dia ny mba hisian’ny fandriam-pahalemana maharitra ato anatin’ny distrikan’ny Moramanga no tohizana. Ezaka efa nanomboka ary tsy hijanona intsony hoy hatrany ity farany.

Cathy

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici