- Publicité -
vendredi, janvier 16, 2026
AccueilFaits-DiversAntanambao-Tsararano : 12 lahy nitondra basim-borona nanafika tanàna, lasany ny omby...

Antanambao-Tsararano : 12 lahy nitondra basim-borona nanafika tanàna, lasany ny omby rehetra.

12 lahy tsy nisaron-tava nitondra basim-borona no nanafika tanàna, tao amin’ny toerana antsoina hoe Antanambao, fokontany Bevilany , kaominina Tsararano, ato anatin’ny distrikan’i Maevatanàna no nitrangan’izany , ny Asabotsy heriny teo, tokony ho tamin’ny sivy ora alina. Lasan’izy ireo ny omby rehetra teo an-toerana. Araka ny fanazavan’Atoa Nazah, izay ben’ny tanàna any an-toerana taminay hatrany , dia nitondra basim-borona sy fitaovam-piadiana maranitra ireo mpanafika. Ankoatra ny omby teo an-tanàna, dia norobain’izy ireo koa ny labiera sy finday ary ny vola. Voalaza, fa tsy nanapoaka basy ireo olon-dratsy, fa ny fitsofana kiririoka no nasesiny eran’ny tanàna,ary nandeha nitsoaka nizotra  nianavaratra ny dian’izy ireo rehefa vita ny nataony. Tsy nisy naratra na  maty tamin’ireo fokonolona niharam-boina, nandritra ny fanafihana nataon’ireo malaso. Nanao ny fanarahan-dia avy hatrany  kosa ny fonolona sy ny Zandary avy ao Bevilany, saingy mbola tsy nisy vokany  izany hatreto.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici