- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversMananjary : Mpianatra 38 tratran’ny ambalavelona

Mananjary : Mpianatra 38 tratran’ny ambalavelona

Nirongatra nanomboka ny fiandohan’ny volana desambra lasa teo, ny aretina ambalavelona, any amin’ny Kaominina ambanivohitry Kianjavato, Distrikan’i Mananjary. Araka ny tati-baovao voaray, dia mpianatra iray tao amin’ny CEG tany an-toerana no tratran’izany voalohany, ny 08 desambra 2018, ary niitatra tamin’ireo mpianatra tao amin’ny lisea sy tamin’ny sekoly tsy miankina iray ara-pinoana tantanan-dry Masera ny aretina avy eo, ny 10 sy 11 desambra lasa teo, ka mpianatra  28 no tratry ny ambalavelona. Raha ny fanazavana azo hatrany, dia tafakatra 38 ireo mpianatra voan’ny ambalavelona hatramin’ny faran’ny taona teo, tao Kianjavato. Ankehitriny, araka ny fampitam-baovao voaray farany, dia mpianatra 18 sisa amin’izao no mbola lazoin’ny  ambalavelona, raha ny nambaran’ny Masera talen’ny sekoly. Taorian’ny fivoriana niarahana tamin’ny Ray aman-drenin’ny mpianatra moa, dia nitaky ireto farany ny hanaovana fomba ara-drazana sy “délivrance” amin’ ity sekoly misy mpianatra  774 (maternelle-classe 3 ème) ity, saingy nolavin-dry Masera ny vono omby ara-drazana, satria efa notsofin’ny Eveka rano ny sekoly tany am-piandohana, fa nekena kosa ny vavaka iraisam-pinoana hataon’ny FFKM hotanterahina ny alakamisy 26 janoary ho avy izao, hoy hatrany ireo Masera tompon’andraikitry ny Sekoly.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici