- Publicité -
lundi, mai 5, 2025
AccueilFaits-Divers“Cité Canada” Toamasina : Fahasarotam-piaro be loatra, maty voatsatoka antsy tamin’ny fony i...

“Cité Canada” Toamasina : Fahasarotam-piaro be loatra, maty voatsatoka antsy tamin’ny fony i Boyka

Ny sabotsy alina nifoha ny alahady alina teo dia nitrangana vono olona tao amin’ny “Cité Canada” Toamasina. Maty novonoin’ny sipany tamin’ny alalan’ny tsatoka antsy teo amin’ny fony i Boyka, 37 taona, noho ny hasarotam-piaro be loatra. Raha ny fanazavana dia manam-bady sy manana sipa hafa ity lehilahy ity, ka ilay sipany 23 taona mipetraka eny amin’ny “Cité Canada” no nahavita izao famonoana azy izao, ao anatin’ilay hoe “aleo samy tsy manana”. Raha ny fanazavana dia tsy teto Toamasina ny vadin’ilay lehilehy ny herinandro nivalona iny ka tany amin’ity sipany ao amin’ny “Cité Canada” io no natory ilay lehilahy. Nony henony fa tonga ny vadiny ny sabotsy io dia nanapa-kevitra ny tsy hatory tany amin’ity sipany ity Ingahy Boyka fa hamonjy ny vadiny. Teo anefa no nipoitra ny fahasarotam-piaron’ilay sipany, izay niezaka nihazona an’i Boyka hatory ao aminy, nefa tsy tana mihitsy fa ny hody amin’ny vadiny ihany, ka teo no nipoitra ny vavan’ilay tovovavy taminy fa “efa tsy ho ahy ihany dia aleo samy tsy manana”. Koa raikitra ny fakana antsy izay natsatony teo amin’ny fon’i Boyka, izay nitarika ny fahafatesany tsy tra-drano izao. Ity tovovavy ity ihany anefa no niantso ny havan’Ingahy Boyka hakan’izy ireo ny havany efa maty, ary tsy nitsoaka fa niandry izay hanjo azy ilay tovovavy. Noraisim-potsiny noho izany ity tovovavy ity ary efa eo am-pelatanan’ny polisy manao ny fakana am-bavany azy. Ny 23 janoary izao no hanainga ho any Ambovombe Androy ny fatin’ity lehilahy ity, satria avy any ny fiaviany. Ilay tovovavy kosa miandry ny fiakaran’ny raharahany eny amin’ny fitsarana.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici