Fasana iray indray izao no fantatra fa nisy namaky ny alin’ny 19 janoary lasa teo tao Ambohimanga-Rova. Ny maraina no voalaza fa nahitan’ny tompony io halatra io. Rehefa nampandre ny zandary ny tompom-pasana dia nidina teny an-toerana iretsy voalohany nizaha ny zava-misy niaraka tamin’ny solontenam-pokonolona. Nandritra izany no nahitana fa razana 04 tamin’ireo 20 tao am-pasana no nahaverezana ny taolan’izy ireo. Tao aorian’ny fizahana dia nasaina nohidin’ny tompony ny fasana. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny zandary ao Ambohimanga-Rova. Ny mampalahelo amin’izao raharaha izao dia ny fahafantarana fa hatreto, tsy mbola fantatra mihitsy ny lalana izoran’ireo taolam-paty angalarina ireo. Tsy fantatra izay mpandray azy. Ireo izay voasambotra toa tsy misy milaza izay tena marina.
T.M.