- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversIkongo : Toherin’ny mponina ny fitrandrahana volamena

Ikongo : Toherin’ny mponina ny fitrandrahana volamena

Ankoatra ny fandripahana ny andramena, ny sokatra, ny akorandriaka mainty, mirongatra koa ny fitrandrahana volamena tsy ara-dalàna ataon’ny vahiny any amin’ny distrikan’ Ikongo, faritra Vatovavy Fitovinany. Nametraka fitoriana any amin’ny fitsarana ny mponina any amin’ny kaominina Manapatrana, noho ny fahasimban’ny taniny amin’ny fitrandrahana volamena ataona orinasa sinoa iray. Nanomboka ny volana jona 2013 ny disadisa teo amin’ny roa tonta, satria simba ny tanimbary sy ny tanimbolin’ ny mponina.

Velaran-tany 11,50 ha potika. Notombanana ho 11,50 ha ny velaran-tany potika. Na eo aza izany, mitohy tsy an-kijanona ny fitrandrahan’ilay orinasa tsy niraharaha akory ny fe-potoana 30 andro nomeny avy ao amin’ny Fitantanana fanohanana ny lalam-pihariana volamena Antananarivo amin’ny hanarenana ny simba. Tetsy andaniny, nanamafy ny ONE (Ofisim-pirenena ho an’ny tontolo iainana), taorian’ny fitarainana azony, fa tsy manana fahazoan-dalana ara-tontolo iainana ilay orinasa sinoa, ary fokontany iray ihany no ananany fahazoan-dalana, dia ny ao Bezamana, nefa itrandrahan’ireto kely maso ireto koa ny any Amboanjobe. Manoloana ireo, mitaky ny hanarenana ny tanimbary sy ny tanimboliny ny mponina, miampy onitra.

Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser