Nofaranana omaly ny atrik’asa sy fanaovana tomban’ezaka nataon’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy amin’ireo Toby fitsarana fiarakodia 21 manerana ny Nosy, tetsy amin’ny Foiben-toeran’izy ireo tetsy Alarobia, izay notarihan’ny Tale jeneralin’ity ivon-toerana ity. Fivoriambe nijerena manokana ireo zava-bita tamin’iny taon-dasa nivalona iny ary nametrahana vina vaovao ho an’ity taona vao manomboka ity. Isan’ny tafiditra ao anatin’izany vina izany, araka ny fanazavana nentin’Andriamatoa Jeneraly, Tale jeneralin’ny foibe fitsarana fiarakodia, ny fametrahana rafitra maromaro, entina hanamora sy hamaliana ny filàn’ny mpanjifa, manaraka ny tanjona napetrak’izy ireo ny amin’iny hoe: « orinasa tsara tantana, mamaly ny filàn’ny mpanjifa ». Ary ny lehibe indrindra ny fanohizana ny ady amin’ny kolikoly; izay isan’ny mandoto ity sampan-draharaha iray ity.
Azo lazaina araka izany, fa nahavelom-panantenana tokoa ny ezaka nimasoan’izy ireo tamin’io taona nivalona iny, raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy ny fihenan’ny lozam-pifamoivoizana vokatry ny lafiny teknika. Izany moa no azo, dia noho ny fampitomboana ireo fitsirihana tampokampoka eny an-dàlana teny nandritra iny taona. Araka ny fanazavana azo, satria nahitam-bokany dia hampitomboina misimisy kokoa izany amin’ity taona ity. Raha hiverenena moa ny roa andro nivorian’ireto lehiben’ny toby fitsarana fiarakodia manerana ny Nosy ireto nandritra ny roa andro, dia fantatra fa niompana tamina zavatra telo loha niavaka tsara : ny tatitry zava-bita, ny toromarika isan-karazany ny amin’ny fanatsarana ny asa fa indrindra ny ady amin’ny kolikoly, ary ny vahaolana lavitr’ezaka entina hamahana ireo olana sedrain’ireo toby fitsarana fiarakodia maneraka ny Nosy.
m.L