- Publicité -
dimanche, juillet 20, 2025
AccueilFaits-DiversMorondava : Voasambotra i Velosoa dahalo raindahiny

Morondava : Voasambotra i Velosoa dahalo raindahiny

Rehefa nokarohina nandritra ny fotoana ela, dia voasambotry ny Zandary ny dahalo rain-dahiny iray antsoina hoe : Velosoa fantatry ny maro amin’ny anaram-bositra Alofo. Araka ny fampitam-baovao voaray, dia ikoizana amin’ny fandrobana, vono olona sy halatra omby ity malaso tra-tehaka ity. Tadidin’ny iray tamin’ireo lasibatra voaroba tamin’ny fanafihana nitam-basy niseho tao Bemanonga ny tarehin’i Alofo, ka nanamora ny fisamborana azy. Raha ny fantatra, dia avy any amin’ny Kaominina Befasy, Distrikan’i Morondava ity malaso  tra-tehaka misy nono ity, ary nambaran’i Velosoa tamin’ny famotopotoran’ny olona azy, fa maharary azy io nonony io rehefa milomay (mihazakazaka) izy. Aorian’ny fanadihadiana lalina ataon’ny mpitandro filaminana an’ity dahalo azo sambo-belona, dia hatolotra ny fitsarana tsy ho ela izy.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici