- Publicité -
dimanche, juillet 20, 2025
AccueilFaits-DiversAmboasary Atsimo : Tanana iray hafa indray voatafika

Amboasary Atsimo : Tanana iray hafa indray voatafika

Mitohy tsy mijanona ny fifanafihan’ny samy mponina any amin’ny faritra Amboasary Atsimo. Re izao fa tamin’ny zoma sy saboty lasa teo, voatafika ny tanana antsoina hoe Enakara, 80 km eo raha miala avy any Taolagnaro hoany Amboasary. Potika tanteraka ilay izy, satria nodoroina avokoa ny trano. Ireo mponina tsy nisy nijanona fa lasa nandositra avokoa. Disadisa teo amin’ny fiarahamonina misampana any amin’ny halatra omby ihany koa no nahatonga ity fandravana ity. Ny voavao fantatra dia misy omby very hatrany avy amin’ny tanana manodidina. Rehefa atao ny fanarahan-dia dia manjavona izany rehefa tonga eo akaikin’ny tananan’i Enakara. Sosotra noho izany ny mponina very omby koa dia raikitra ny fanafihana an’io tanana io. Vohitra efatra no nifarimbona tamin’izany fanafihana izany dia Fenoevo, Efita,Naniliha ary Marovato. Mitovitovy ny tao Andranondambo ny zavatra niseho. Misy moa ny resaka mandeha any an-toerana fa misy zavatra ambadika itony fanafihana itony. Atao leo monina ny mponina dia alain’ny sasany ny velaran-tany.

D.R.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser