- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversMandoto : Olona 3 maty notifirin’ny jiolahy, 2 naratra mafy

Mandoto : Olona 3 maty notifirin’ny jiolahy, 2 naratra mafy

Ny alatsinainy teo tany ho any amin’ny fito ora hariva no tonga tao amin’ny tanàn’i Beakanga-Mandoto ireto jiolahy folo. Izay nirongo fitovam-piadiana toy ny basim-borona sy lefona ary famaky. Tokan-trano iray no novantanin’izy ireo tamin’izany, nisy tamin’izy ireo no nisaron-tava ary ny sasany kosa tsy niafin’endrika.Raha vao tafiditra ny tokonana izy dia nitifitra avy hatrany. Olona 5 ny tao an-trano tamin’io fotoana io ka ny 2 tompon-trano fa ny 3 kosa vahiny. Tonga dia nitsoaka nandositra avy hatrany ireto tompon-trano raha vao nahatazana ireto mpanafika.

Tsy fantatra anefa na fifanandrifian-javatra na niniana natao fa dia ireto vahiny 3 no lasibatry ny balan’ireto jiolahy. Nony vita izany tifitra izany dia nodarohan’ireto jiolahy ireto olona 2 ka nanamparany ny habibiany tamin’ny tsindrona lefona sy vely famaky naratra mafy tokoa vokatr’izany.

Tsy nionona tamin’izany anefa ireto olon-dratsy fa dia mbola nodoroiny indray ny trano avy eo ka may tsy nisy noraisina intsony ny entana tao an-trano izay miteti-bidy any amin’ny 2 tapitrisa ariary. Fa ny somary nahataitra ny olona dia tsy naka na inona na inona ireto olon-dratsy fa ohatran’ny voairaka hamono fotsiny ihany.

Tonga tany an-toerana moa ny zandary tao Beakanga ka nanao ny fanadihadiana niaraka tamin’ny fokonolona tany an-toerana, maty avokoa moa ireto vahiny 3 voatifitra ary 20 taona ny 2 fa ny iray no 40 taona. Notazonin’ny fokonolona tao an-tanana moa ireo razana mba hiandrasana izay havany hafa haka ny maty fa ny naratra kosa dia mbola manaraka fitsaboana akaiky, eo am-piandrasana ny mety ho tohin’ny fanadihadiana hatao ireto niharan’ny vono.

ALEM

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser