Dahalo iray maty, roa azo sambo-belona. Ireo no vokatry ny fiaraha-miasa matotra nisy teo amin’ny polisy avy ao amin’ny Kaomisarian’ Ambohimahasoa sy ny miaramilan’ny DAS. Taorian’ny fahazoana loharanom-baovao marim-pototra avy amin’ olona tsara sitrapo, dia nidina ifotony tao Andovoka, Kaominina ambanivohitr’i Sahave, ny mpitandro filaminana ny zoma teo, tokony ho tamin’ny efatra ora naraina, mba hisambotra ireo dahalo mpanakan-dalana sy mpanao fanafihana mitam-piadiana any amin’ny distrikan’ Ambohimahasoa sy ny manodidina. Raha vao nahita ny mpitandro filaminana niditra ny tanàna ireo malaso nirongo basy vita gasy, dia nitifitra avy hatrany ka raikitra ny fifandonana, ary dahalo iray no maty voatifitra. Tamin’ny famotorana an’ireo dahalo azo sambo-belona, dia nanambara ireo olon-dratsy fa tompon’omby miisa 12 no efa matin’izy ireo. Manodidina ny 480 isa kosa ny omby efa norobain’ireo malaso. Nilaza nahitsy ireto jiolahy nandritra ny fanadihadiana lalina natao azy ireo, fa izy ireo no tompon’antoka tamin’ny famonoana tamin’ny fomba feno habibiana mpandraharaha ara-barotra iray tao an-tampon-tanànan’ Ambohimahasoa, ka lasa tamin’izany ny lelavola 10 tapitrisa Ariary mahery, izay nahatonga izao fikarohana sy haza lambo izao. Raha ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny polisim-pirenena any an-toerana, dia vonona hiaraka hiasa amin’ny mpitandro filaminana hanome vaovao mba hahatratrarana an’ireo dahalo mbola karohina kosa ny ray aman-drenin’ilay malaso lavon’ny bala. Taorian’ny nanolorana Fampanoavana an’ireo dahalo roa tra-tehaka azo sambo-belona, tao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Fianaratsoa, dia nadoboka am-ponja vonjimaika ao Ankazondrano izy ireo.
Eric Manitrisa