- Publicité -
lundi, juillet 21, 2025
AccueilFaits-DiversTetezan’ny fokontany Mangarivotra Toamasina : Nahitana ramatoa be maty niboridana nihohoka tao anaty...

Tetezan’ny fokontany Mangarivotra Toamasina : Nahitana ramatoa be maty niboridana nihohoka tao anaty rano

Hatairana ny an’ireo olona nandalo vao maraina teo amin’ny tetezan’ny fokontany Mangarivotra iny omaly maraina, satria dia ramatoa be iray no maty niboridana tao anaty rano hitan’ny mponina tamin’izany. Samy nanana ny filazany ny rehetra mikasika ny nahafaty ity ramatoa be ity, tao ny nilaza fa mety ho mpamosavy niharan’ny fitsaram-bahoaka nisy nanary tao anaty rano ity maty nantsingevan’ny rano ity. Tao kosa ireo nilaza fa ramatoa be mahantra mipetraka ambany tetezana mety nandro saingy tsy nahazaka ny hatsiaka dia tratran’ny tsy fahasalamana tampoka izy io. Ao koa anefa ireo nilaza fa mety novonoin’ny olona tsotra izao ity ramatoa be maty ity. Efa nijery ny zava-nisy teny an-toerana io omaly io ny mpitsabo misahana ny fahadiovana eo anivon’ny kaominina sy ny mpitandro ny filaminana, ka raha ny fanazavan’izy ireo dia maty natoraly ity ramatoa be ity, izay somary tsy salama tsara ny sainy noho ny adim-piainana, ary ireny mpatory eny rehetra ireny indrindra fa ny eny ambany tetezana ny tena fanaony. Heverina izany, hoy ny mpitandro ny filaminana sy ny mpitsabo, fa hatsiaka nahazo azy raha saika handro izy ka nahazo rano lalina no tsy nahafahany namonjy aina intsony ka izao maty nihohoka tao anaty rano izao. Omaly ihany dia efa nalain’ny zafiny ity ramatoa be ity, satria mpiala sasatra eto Toamasina izy fa any Andranombilaha Toamasina II no mipetraka, ary efa ny talata tamin’ny 05ora sy sasany no tsy hita ka nitady azy ny zafiny ipetrahany miala sasatra eto Toamasina.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici