Mivoaka avokoa ny anarana maro amin’izao fotoana, taorian’ny fanafihana an’Andranondambo. Isan’izany ny anaran-dRekamainty izay voatonona ho solon-dRemenabila. Ito farany dia tsy fantatra intsony na maty na velona, satria samihafa avokoa ny fitantaran’ny olona. “Efa maty izy, saingy maty natoraly, matin’ny aretina nifangaro tamin’ny fahanterana fa tsy matin’ny bala izany kosa. Diso avokoa ireny notantarain’ny manam-pahefana ireny fa hoe ny mpitandro filaminana no nahafaty azy” .Raha araka ny fanazavan’ny sasany. Ny hafa indray dia manohana ny heviny ary milaza fa mbola velona soa aman-tsara any Remenabila, saingy efa antitra. Nisy mihitsy aza ny nilaza fa nahita maso azy niantsena tao Andranondambo vao tsy ela akory izay. Ny zavamisy dia feo fotsiny mandeha etsy sy eroa fotsiny ihany ity anarana ity. Tsy misy mahafantatra akory izay fisiany na tsia ny olona any atsimo satria tsy mbola nisy nahita maso. Ny sary nandeha tamin’ny gazety, avy amin’ny mpitandro ny filaminana rahateo, tamin’izany fotoana izany, efa fantatra fa sary tsy mitombina. Tsiazomalandy ny anaran’iny olona iny, voafonja tao Farafangana ary efa nodimandry tamin’ny taona 2003, raha araka ny loharanom-baovao avy any atsimo-atsinanana. Efa-taona taty aorian’ny nivoahan’ny anarany voalohany teo amin’ny haino aman-jery, mipetraka ny fanontaniana ankehitriny raha tena nisy tsia Remenabila. Sao mba anarana entina hanakorontanana saim-bahoaka fotsiny na hanamarinana hetsika iray mba hahazoana tombontsoa manokana. Ankehitriny indray dia mivoaka ny anarana hoe Rekamainty, lehilahy iray izay voalaza ho lehiben’ny malaso ary nivoaka avy ao Ambatotsivala. Io tanàna io no nanafika an’Andranondambo, raha hiverenana kely. Isan’ny karohina izy ary atahorana koa ilay anarana satria malaza mahery setra ary eken’ny dahalo avy amin’ny toeran-kafa. Hatreto dia tsy mijanona mitranga ny halatr’omby ary lasa mamono ireo olon-dratsy ankoatry ny fanaovany halatra. Nisolo ho Rekamainty indray izany Remenabila. Mampihorohoro ny vahoaka any an-toerana ilay anarana. Asa anefa izay fisiany marina…
D.R