- Publicité -
dimanche, juillet 20, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohidratrimo : Tokantrano notafihana fitolahy nirongo basy

Ambohidratrimo : Tokantrano notafihana fitolahy nirongo basy

Hatramin’ny jiro fitondra am-paosy avy dia hitan’ireo olon-dratsy tsiriritina, ary nanafihana tokantrano mihitsy. Toy izany nitranga tetsy Anosiala Ambohidratrimo ny alin’ny talata hifoha alarobia lasa teo. Araka ny tati-baovao azo avy amin’ny zandarimariam-pirenena dia nahatratra teo amin’ny fitolahy teo ireto olon-dratsy no nanafika tokantrano iray tao amin’ny fokontany Soamanandray, kaominina Anosiala, tokony ho tamin’ny iray ora maraina tany ho any. Nirongo basim-borona sy zava-maranitra isan-karazany izy ireo tamin’io fotoana io, ary nanao amboletra niditra tao amin’ity trano iray, izay tsy nisy afa tsy vehivavy iray. Novakian’izy ireo ny varavarana tamin’io fotoana io ary nanao an-terisetra niditra fotsiny ny sasany tamin’izy ireo, raha nijanona sy niambina teny ivelany kosa ny hafa. Mazava ho azy, vehivavy ny tao an-trano ary efa voarahona tamin’ny basy ka tsy afaka nanao na inona na inona akory. Voafehin’izy ireo tanteraka ilay tokantrano ka nanao izay danin’ny kibony nitondra izay zakany ireto tsy mataho-tody. Vokany, vola mitentina eo amin’ny roa hetsy ariary teo ho eo no lasan’izy ireo niaraka tamin’ny finday sy ny zavatra maro hafa, ka anisan’izany ilay jiro fitondra am-paosy. Soa ihany fa tsy nisy ny naratra na ny namoy ny ainy tamin’izany fanafihana izany. Rehefa azon’ireo jiolahy moa ny nilainy dia lasa izy ireo nitsoaka. Taorian’io vao afaka niantso vonjy ilay lasibatra. Tonga teny an-toerana ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Ambohidratrimo, nijery ny zava-nisy ary nametraka paik’ady avy hatrany hikarohana ireo mpanafika.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici