Tsy ny asan-dahalo ihany no mampihorohoro sy mampitaintaina ny ankamaroan’ny mponina any amin’ny distrikan’ Ambalavao Tsienimparihy, faritra Matsiatra Ambony, ankehitriny, fa ny fipoakan’ny varatra mirefodrefotra ihany koa amin’izao fotoam-pahavaratra maha betsaka ny rotsak’orana izao. Nanomboka ny fiandohan’ity herinandro ity, raha araka ny fampitam-baovao azo, dia olona fito no maty nilatsaham-potaka, ka ny enina tamin’ireo tao amin’ny kaominina ambanivohitra Mahavony, ny alatsinainy teo, tao an-tampon-tanànan’ Ambalavao kosa ny iray namoy ny ainy, afak’omaly. Vokatry ny rotsak’orana nijojo izay hatrany, dia maro amin’ireo vokatry fambolena no dobo rano amin’izao any amin’ity distrika malaza amin’ny tsenan’omby eto Madagasikara ity.
Eric Manitrisa