- Publicité -
lundi, juillet 21, 2025
AccueilFaits-DiversMorondava : Dobo rano ny tanàna, tsy mianatra ny mpianatra

Morondava : Dobo rano ny tanàna, tsy mianatra ny mpianatra

Sary « Sekoly katolika any Morondava dobo rano”.

Vokatry ny  toetrandro ratsy mandalo, dia nirotsaka ny orana ary niakatra be ny ranomasina eto Morondava, vokatr’izany, dobo rano ny tanàna. Tsy mitsahatra ny manentana  sy mametraka ny fepetra  ho an’ireo mponina ireo tomponandraikitra mahefa any an-toerana, ka anisan’izany ireo mponina amin’ny toerana iva, mba hamonjy toerana avo. Noho ny fiakaran’ny ranomasina, dia rarana ihany koa ny mpanjono, mba hijanona an-tanety  hisorohana ny loza mety hitrange. Tsy mianatra ny mpianatra rehetra eto amin’ny distrikan’i Morondava, na amin’ny sekolim-panjakana, na tsy miankina. Marihana, fa efa mivadika ho « dépréssion tropicale » ilay andro ratsy amin’ny lakan-dranon’i Mozambika, ka voakasik‘izany akaiky ny faritra Atsimo-andrefana, Androy sy Anosy

Anastase

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici